mercredi 29 janvier 2014

Madagasikara : 29 mars 1947 - 29 MARSA 1947

« Le Monde » du 29 mars 1967

Philippe Leohana (1912-1999), ancien militaire de l'armée française, engagé aux côtés de rebelles en avril 1947, est considéré comme le meilleur chef malgache de l'insurrection. Il se rend aux autorités françaises le 11 novembre 1948. On le voit ici signer un appel à la reddition des derniers foyers de révoltes sous l'œil d'un légionaire.

Les Nouvelles du 27-03-06
La répression fait plus de 100 000 morts
( Enquête du 28/3/2006 )
L'insurrection a été prévue éclater à 22 h dans cinq villes : Moramanga, Manakara, Fianarantsoa, Antananarivo et Antsiranana. Les rebelles de la capitale renoncent in extremis car les agents policiers ont commencé à inspecter les voitures à partir de 7 h du soir.
A Antsiranana, les insurgés ont réussi à couper l'électricité. Parvenus au camp militaire Lazaret, les militaires, dont les deux tiers sont leurs complices, sortent comme convenu les armements, censés être utilisés pour attaquer les « vazaha ». Mais 80% des rebelles ne sont pas venus, des traîtres les ayant dissuadés. Ainsi, les militants se font prendre. En tout, les colons en emprisonnent mille.
A Fianarantsoa, les rebelles coupent l'électricité à Talata-Ampano, à quelques dizaines de kilomètres de la ville, espérant ainsi faciliter la tâche. Mais ils se font également prendre lors de l'attaque du camp militaire, la résistance coloniale s'étant déjà apprêtée.
2500 morts en trois jours à Moramanga
Les actions n'auront été plus ou moins réussies qu'à Manakara. A 22 h, les insurgés ont attaqué les camps de police et de gendarme. L'opération s'est bien déroulée, leurs complices militaires n'ayant pas montré de la résistance. Les rebelles ont par la suite attaqué des terres coloniales et les bâtiments publics. Il s'agissait surtout de dépouiller les résidents français.
Les instigateurs se sont déjà donné le mot d'ordre selon lequel aucun sang ne serait versé, sauf en cas de résistance et que les femmes, les enfants, les missionnaires et les étrangers non français seraient isolés. Néanmoins, des actes violents ont quand même eu lieu à Ambila, Sahasinaka et Ampasimanjaka.
A Moramanga, les 2000 insurgés ont attaqué les lieux fréquentés par les Français et leurs résidences, notamment la gare, l'hôtel Larrieu et le camp Tristani. Ils parviennent aisément à tuer les officiers français qui surveillent le bourg, ceux-ci dormant profondément. Par contre, les tirailleurs sénégalais qui gardent le camp militaire sont mieux armés que les rebelles. L'armement leur étant inaccessible, les insurgés se retirent au matin avec la population rurale.
Les tirailleurs vont se venger en se rabattant sur les indigènes. Dès le lever du soleil, ils entreprennent d'incendier toutes les maisons. Le renfort une fois arrivé vers midi, ils massacrent à coups de baïonnette tout ce qui bouge. En trois jours, 2500 individus, dont 60% sont des femmes et des enfants, ont péri.
200 prisonniers fusillés
L'administration coloniale condamne le Mouvement démocratique pour la rénovation malgache (MDRM) d'avoir perpétré le coup. Dès le lendemain de l'insurrection, les membres connus du MDRM, sont arrêtés. Raseta est arrêté à Paris le 6 avril, Ravoahangy et Raseta le 14 mai malgré l'immunité parlementaire.
Moramanga, Ambatondrazaka, Vohipeno, Manakara, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro, Vatomandry et Antananarivo sont mis en état de siège. Entre avril et août, 30 000 militaires de Djibouti et du Sénégal ont été envoyés dans l'île pour réaliser la nouvelle conquête coloniale.
Les prisonniers endurent diverses tortures, telle celle consistant à tremper leur tête dans un seau rempli d'eau bouillie et épicée, jusqu'à ce qu'ils dévoilent les noms d'autres rebelles. En même temps, les colons procèdent à l'incendie des villages environnant les régions réputées révoltées et y jettent des prisonniers vivants par avion pour terroriser la population. Les membres du Parti des déshérités de Madagascar (Padesm) confisquent les biens et les épouses des insurgés faits prisonniers.
Tous les partis ont été dissous le 10 mai 1947. Cinq jours plus tôt, les forces coloniales ont capturé 166 membres du MDRM à Ambatondrazaka qui ont opéré à Moramanga. Elles les ont ramenés dans la ville et les ont fusillés dans le train. 71 d'entre eux en sont rescapés, certains avec beaucoup de blessures. Les militaires les fusilleront dans la forêt de la ville. Un seul en a survécu.
Les insurgés qui ont échappé aux colons se sont réfugiés dans la côte Est. Ils ont prolongé la guerre jusqu'en juillet 47, notamment le long de la côte Est. Ils ont détruit les rails de Moramanga entre avril et mai, puis ceux d'Antananarivo et de Fianarantsoa, tout en accomplissant des violences sporadiques envers les résidents français.
Mais les troupes de répression ayant fait de Moramanga et de Manakara leurs bases de départ, les rebelles ont dû se retrancher dans les forêts du sud. Ils y ont subi une rude épreuve, s'habillant vaille que vaille, se nourrissant de racines, de tavolo et de hofika… La plupart sont morts de maladies diverses.
Bilan obscur
Le procès des chefs des partis MDRM, Jina et Panama s'est tenu entre le 22 juillet et le 4 octobre 1948. Ravoahangy et Raseta ont été condamnés à mort, et Rabemananjara à s'exiler jusqu'à sa mort. Mais tous les trois se trouveront grâciés après une décennie. Vingt condamnés à mort ont été exécutés par fusillade, dont trois à Antananarivo, cinq à Moramanga et douze à Fianarantsoa.
Enfin, le nombre de personnes qui ont péri pendant l'affaire 47 demeure toujours obscur. Le chiffre officiel a été arrêté à 89 000 individus. Mais l'administration coloniale l'a rectifié à plus de 100 000 morts en y ajoutant les fuyards réfugiés dans la forêt.
Domoina Ratovozanany





Sahasinaka - Manakara : 29 marsa 1947
Tonga indray ity ny tsingerin-taona fahatsiarovana ny taona 1947 izay nisian'ny tolona ho fanoherana ireo mpanjanatany sy ny voanjo, ary fitakiana ny fahaleovan-tenam-pirenena. Isan'ny manana ny maha izy azy i Sahasinaka amin'izany.

Azo lazaina fa faharoa izy tamin'ity tolona ity, aorian'i Moramanga. 21 sisa ireo tapaporohana sisa tsy may tamin'izany. Maro ny olona ankehitriny no tsy mahalala an'i Sahasinaka, indrindra fa ny kilonga taty afara. Ny misy an'i Sahasinaka I Sahasinaka dia kaominina iray ao anatin'ny distrikan'i Manakara, faritra Vatovavy fitovinany, faritanin'i Fianarantsoa. Miala adiny iray sy fahefany avy ao Manakara raha ho any, mandeha amin'ny fiaran-dalamby FCE iny.

Ny Tanala no mponina any, ary ny Antaimoro no maro manampy azy ao. Hita ao koa anefa ny foko maro misy eto Madagasikara, ny sinoa sy "metisy sinoa" maro. Mahatratra any amin'ny 200.000 any ho any amin'izao fotoana izao ny isan'ny mponina ao. Tany mahavokatra i Sahasinaka eo amin'ny voly vary sy mangahazo ary ny voankazo isan-karazany, fa isan'ny mampalaza azy koa ny voly fanondrana any ivelany toa ny kafe sy ny "lichis". Manomboka eto amin'ity toerana ity no miondrana ho any Fianarantsoa sy ho any Manakara ny vokatra isan-karazany, indrindra fa ny akondro mameno "wagon" isan'andro. Izany indrindra no antony nahatonga an'i Sahasinaka ho toerana nankafizin'ireo voanjo mpanjakazaka tamin'i Madagasikara mbola zana-tany.

Manankarena tantara Tanana manankarena tantara koa ity toerana ity amin'ireo faritra Tanala, hatramin'ny fahagolantany, satria izany Ambodirambiazina izany no tena anarany tany aloha tany, ary teo amin'io toerana misy ny garan'ny lalamby io no nisy azy fa navadika kely ao atsimo ao noho ny fametrahana azy io. Ny rambiazina indray dia hazo manandaza amin'ny foko manana razana arabo eto Madagasikara amin'iny faritra atsinanana iny, ka nian- tsoana an'i Sahasinaka teo aloha. Niova anarana ho Ambodiramiavona i Ambalafataka tamin'ny andron'ny vazimba nony resin'ireo Zafimboajiro. Taty aorian'ny ady nanafihan'i Namorona azy, ka voasakana teo amin'ny saha nisy rano kely eo amin'ny teteza-masinina atsinanan'ny gara ity ny mpanafika dia natao hoe Sahasinaka ny anaran'ny tanàna. Mpimasy malaza izany no nanova ny rano kely tamin'ilay saha ho tonga rano be ka tsy afaka nita taminy ny mpanafika, ary dia avotra teo Ambodirambiazina, ka nanomboka tamin'izay dia Sahasinaka no natao anaran'ilay toerana mandraka ankehitriny.

Ny 29 marsa 1947 Araka ny voalazan'i Taso Georges, isan'ny olona nandray anjara be tamin'iny tolona iny, ary iray amin'ireo 21 sisa velona ao Sahasinaka ao amin'izao fotoana, dia manana ny tantarany koa ity tanàna ity tamin'iny raharahan'ny 1947 iny.

Toa izao àry ny filazany ny zava-nitranga tany araka ny hitany sy niainany ary ny tadidiny. Ady amin'ny voanjo mpamboly kafe no tena niantombohan'ny raharaha taty amin'ny faritra Sahasinaka. Maro ireo tanàna izay nifamory tamin'ny volana janoary 1947. Isan'izany Analavory, Anakengitra, Betsizaraina, Mahabako, Ambodivandrika, Maroahitra, Bekatra, Vohilava , sy ny vohitra manodidina rehetra izay nanakaiky an'ireo toerana ireo. Toerana nisy vazaha nanao fambolena taty daholo ireo ka voly haondrana toa ny kafe, ny "poivre", ny jirofo no nataon'izy ireo. Mahatratra an-jatony hektara mahery ny an'olona iray amin'izany. Mpiasa marobe no nilaina tamin'izany, ka saika nampiasainy avokoa ny olona taty na ny zaza amam-behivavy aza. Terena ny isan-tanàna hanao asa fanompoana tamin'ireo vazaha ireo.

Omena latasy isan'andro izy ireo ka izay tsy mahavita izany dia hidina ao amin'ny trano iray izay misy ireny biby atao hoe "do" na dona, hoy ny sasany. Miara-matory aminy ao, ka rahampitso dia tsy maintsy mamita ny tsy vita omaly sy miampy ny latasy vaovao indray. Noho izany dia nisy ny narary sy ny maty noho ny tahotra ny biby sy ny asa mafy tany an'alan-kafe. Vokatr'izay dia nitaraina tany amin'ny Ampanjaka ny vahoaka. Nivory tao Sahasinaka àry ny mpanjaka manodidina rehetra niaraka tamin'ny vahoaka, dia novonoina ny omby mazava loha roa tamin'ny namakiana ny kabary. Tao Ambodiramiavona ankehitriny no natao "camp" tamin'io fotoana io. Tonga koa ny avy any Ampasimanjeva syVohimasy, nanampy ireo teo aloha.

Raikitra tamin'izay fa hatao ny ady amin'ireo vazaha ireo ka hovonoina izy ireo noho ny fomba ratsy izay nataony tamin'ireo Malagasy. Dia natao àry ny toro marika rehetra sy ny velirano ka isan'izany ny ny hoe : "Tandremo sao mamono ny gasy". Nisy anefa ireo gasy izay namadika, fa indrindra ireo nantsoina hoe "commandeurs" izay niara-niasa tamin'ireto vahiny ireto tany amin'ny tannin-kafe. Nihevitra izy ireo fa rehefa lasa ireo vazaha ireo dia izy no ho tompon'ny fananana koa nilaza ny zava-nisy tamin'ireto mpampiasa azy. Nifamory àry ireo vahiny mpanjanaka ireo ka nandeha tany Manakara, ary tsy niverina tany amin'ny alan-kafe intsony fa ireto "commandeurs" ireto no nitazona ny asa rehetra teo. Nifamory indray anefa ireto "hiady" rehefa naheno fa lasa ny vazaha, koa dia nitsangana indray ireto olona manaraka ireto : Raphael Rabary, ambaniandro avy any Antananarivo izay tompon'i Betsizaraina teo aloha, faritra nalain'ireto voanjo frantsay ireto, ka dia lasa mpanao betsa sy toaka gasy sisa no niafarany.

Tao koa Rajaonarison, izay mbola fianakavian-dRabary ihany, ary Rakoto Emile, mpanjaitra tao amin'ny Fjkm izay mbola ambaniandro koa, ary farany dia Ralaingita, Tanala, izay lasa mpitambolan'ny fikambanana. Ireo olona ireo izany no nitarika ny olona hanohitra indray amin'ny tolon'ny 29 marsa 1947. Tapaka tamin'izay izany fa ny "chef de poste" tao Sahasinaka no hotafihina voalohany, dia ny lehiben'ny "travaux" amin'ny arabe tao Ankebana Ivohilava, izany mose Jude izany, "créole", ary mose Delicat tao Ambodivandrika. Rehefa natao anefa ny fanafihana dia tsy tratra tao ity farany fa ny vadiny no tratra tao. Nanomboka teo dia nanomboka ny fifamonoana satria dia raikitra ny fifampitifirana ka maro ny gasy no ripaka tamin'izany, satria efa nisy ny sônegaly tonga hiambina ny vazaha. Marihina fa lefona sy famaky ary fibara ihany no fiadiana izay nentin'ireo gasy ireo. Araka ny voalaza dia aman-jatony ny Malagasy no nandeha nanafika ireto vazaha ireto. Tamin'izay fotoana izay dia nisy koa ny fiaramanidina nampiasan'ireo vazaha nentina nanohitra ny Malagasy, ka maro no matiny.
Tsy nahakivy an'ireto Malagasy anefa izany fa toa vao mainka nanamafy ny risi-pon'izy ireo hanohy ny ady. Lasa nandositra tany an'ala àry aloha izy ireo ka natao hoe "Antoby" ny toerana nisy azy ireo hanomanana ny fanafihana manaraka indray. Taorian'izay koa dia tonga ny miaramila avy any Fianarantsoa hanampy ireo efa nisy tany an-toerana. Tokony ho ny volana aprily 1947 io. Henon'ireto tia tanindrazana izany ka niomana koa izy ireo, teo ambany fitarihan'izany Rapelatokanono izany, ary namorona ny atao hoe "tafondro vato" tao anelanelan'i Fenomby sy Sahasinaka amin'ny PK 114.

Namory vato be dia be ireo mpioko ireo, napetrany teo ambonin'ny vavan-tonelina roa ka notazonin'izy ireo tamin'izany tady atao hoe "vahakarabo" izany. Raha vao nandalo ny lamasinina dia notapahin'izy ireo ny tady ary dia latsaka tao amboniny ireo vatobe, ka toy ny tafondro mirefotra ireny mihitsy ny fianjerany. Sônegaly sy miaramila marobe no maty tamin'izany. Ny sônegaly afaka nitsoaka moa nanao tifitra variraraka ka nahafaty Malagasy ihany koa. Izany jeneraly atao hoe "Pelaka" izany, izay nantsoin'ireo namany hoe "Jeneraly", mpiady tranainy tany Frantsa tamin'ny ady lehibe voalohany sy faharoa no isan'ny mpanome ny tetika tamin'izany. Izy ihany koa no iray amin'ireo mpioko nanana basy. Nanana tetika hafa koa ity jeneraly Pelaka ity ka naringany tamin'ny tifi-davitra ny vazaha izay nitsangantsangana teo amin'ny garan'dlalamby. Efa nisy ny maty vao taitra ny teo akaikiny. I jeneraly anefa efa tsy eo amin'ny toerana nitifirany intsony sady tsy mba niaraka tamin'olona hafa fa nandeha ireny.

Nisy nitory izy taty aoriana ka nalefa tany Nosilava, natao sesitany, ary noesorina taminy ny karamany tamin'ny naha miaramila azy. Mbola monina ao Ampiringalava moa ny taranany ankehitriny. Araka ny voalazan'ingahy Taso Georges ihany dia naharitra ny ady nandritra ny taona 1947 iny. Rehefa nanahirana an'ireto vazaha frantsay mpanjanatany mantsy ny ady tao Sahasinaka dia nampiasa tetika hafa indray izy ireo. Nisy izany atao hoe Victor izany, metisy vazaha, satria ny reniny gasy ary ny rainy voanjo. Izy io no nampiasain'ireto frantsay hahazoana ny mpioko sy handresena azy ireo. Tonga namonjy ny toby misy ny mpioko ity Victor ity, nohorokorohany ny sainan'ireto mpitolona ireto. Noheverin'izy ireo fa vokatry fony izany ka ninoany izay nolazainy, satria dia noraisina ho gasy izy. Nilaza àry ny tenany fa tonga ao Manakara ny sambo iray izay feno basy avy any am-pita hanampiana ny mpitolona ka halaina any. Faly ireo gasy ka dia nirohotra namonjy ny lamasinina, satria voalaza fa efa nisy lamasinina natokana ho azy ireo. Nahafeno "wagon" telo ny olona nandeha nidina tany Manakara, feno hipoka ny fiaran-dalamby.

Hafa anefa ny zava-niandry tany fa tonga dia navantana tao amin'ny trano malalaka iray, izay toby fasiana entana, ka nafatratra toy ny biby tao izy rehetra, ary izay mitrangatranga loha dia voatifitra. Maro no maty tamin'izany. Ny sasany indray dia notifirina teny amin'ny faritry ny garam-piaramanidina amin'izao fotoana izao, atao hoe Anjavidy. Nahatratra 600 any ho any ny tombantomban'ny isan'ny maty tamin'izany. Nambaran'ingahy Tosy Georges ihany moa fa tsy nisy ady firy tany Manakara fa natao toerana famonoana ny tia tanindrazana sy natao fasana hilevenana fotsiny ihany. Nanomboka teo dia niha nihena ny fanoherana ka izay tratra tany Sahasinaka indray dia nasaina nihady lavaka 2m ny halaliny, antonona olona telo na efatra mitsangana, dia ampidirina ao ireo mpioko ireo ary tifiriana mitsangana ao anatin'io lavaka io, na koa alevim-belona ao. Eo atsimon'ny hôpitaly amin'izao fotoana moa no misy izany toerana izany, araka ny voalazan'ny mpitantara ihany. Mahantra ny fahatsiarovana "Santionany tamin'ny zava-nisy tany Sahasinaka io tantara io, fa mba inona moa no vokatr'izany tolona izany amin'izao fotoana izao".

Tsangambato kely tsy ampy iray metatra sy sasany, eo akaikin'ny tranompokonolona, no mba natao ho fahatsiarovana an'izany rehetra izany. CEG izay antsoin'ny olona hoe "CEG garaba", Tranompokonolona ravarava no hita ao. Hôpitaly tranainy tamin'ny andron'ny fanjanahantany no misy any, sady tsy misy dokotera lehibe sns…. Raha ny fahitana ny zava-misy any an-toerana anefa dia tanana tokony handroso izy io. Dia hoy ity tanora iray tafaresaka taminay hoe : hadinon'ny fanjakana mihitsy ny tolona nataon'ny razanay ho fanavotana ny tanindrazana, ary toa tsy hitanay ny vidin'ny ran'ny maty tamin'izany.
Jesy Belaolao
La Gazette de la Grande ile

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Cet espace est ouvert à tous, avec toutes les opinions et points de vue, dans le respect de l'autre par la courtoisie, ne nous opposons pas sur les personnes, mais sur les arguments.

Misaotra!